John 20

1Ary vao marainan’ny andro voalohan’ny erinandro, raha mbola maizina iny, dia nankeny amin’ny fasana Maria Magdalenina ary nahita ilay vato efa nikisaka lavitra ilay fasana izy. 2Noho izany dia nihazakazaka izy ary nanatona an’i Simona Petera sy ilay mpianatra hafa izay tian’i Jesosy, ary hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Nalain’izy ireo tao amin’ny fasana ny Tompo, ary tsy fatatray izay nametrahan’izy ireo Azy.”

3Avy eo nandeha nivoaka Petera sy ilay mpianatra hafa, ary nankany amin’ny fasana izy ireo. 4Samy niazakazaka izy ireo, ary nosongonan’ilay mpianatra hafa haingana Petera ary dia izy no tonga voalohany teny amin’ny fasana. 5Avy eo niondrika izy, ary natazana ilay lambam-paty nipetraka teo, fa tsy mbola nitsofoka tao anatiny izy.

6Tonga taoriany avy eo Simona Petera ary niditra tao am-pasana. Tazany nipetraka teo ilay lambam-paty 7sy ilay lamba natao teny amin’ny lohany. Tsy niara-nipetraka tamin’ilay lambam-paty anefa ilay izy fa nivalona ho azy teo amin’ny toerany.

8Avy eo ilay mpianatra iray hafa, ilay tonga voalohany teo amin’ny fasana, niditra tao anatiny koa, ary nahita sy nino izy. 9Fa hatramin’io fotoana io izy ireo dia tsy mbola nahafantatra ny Soratra Masina ihany fa Izy dia tsy maintsy hitsangana amin’ny maty. 10Ka dia niverina tany an-trano indray ireo mpianantra.

11Fa Maria dia nijoro nitomany teo ivelan’ny fasana. Raha izy nitomany iny, dia niondrika tao amin’ilay fasana. 12Nahita anjely roa mitafy lamba fotsy nipetraka izy, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra teo amin’ilay toerana nametrahana ny vatan’i Jesosy. 13Hoy izy ireo taminy hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?” Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Satria nentin’izy ireo ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahan’izy ireo Azy.”

14Rehefa avy niteny izany izy, dia nitodika ary naita an’i Jesosy nijoro teo, fa tsy fantany anefa hoe Jesosy io. 15Hoy Jesosy taminy hoe: “Ravehivavy, Nahoana ianao no mitomany? Fa iza no jerenao?” Noheveriny fa ilay mpiambina anefa Izy, ka hoy izy taminy hoe: “Tompoko, raha Ianao no naka Azy, dia lazao amiko ny nametrahanao Azy, fa ho alaiko any Izy.”

16Hoy Jesosy taminy hoe: “Maria.” Nitodika izy, ary niteny taminy tamin’ny teny Hebreo hoe: “Rabôny” (izay midika hoe: “Mpampianatra.”) 17Hoy Jesosy taminy hoe: “Aza mikasika Ahy, fa tsy mbola niakatra any amin’ny Ray Aho, fa mandehana any amin’ireo rahalahiko ary teneno azy ireo fa hiakatra any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” 18Nandeha Maria Magdalenina ary niteny ireo mpianatra hoe: “Nahita ny Tompo aho,” ary ireo zavatra ireo no nolazainy taminy.

19Ary hariva tamin’izay, tamin’io andro io, andro voalohan’ny herinandro, ary ireo varavarana izay nisy ireo mpianatra, dia nidy nohon’ny fatahorana ireo Jiosy, nanatona Jesosy ary nijoro teo afovoan’izy ireo ka niteny azy ireo hoe: “Fiadanana ho anareo.” 20Rehefa avy niteny izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny lanivoany. Faly ireo mpianatra rehefa nahita ny Tompo.

21Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: “Fiadanana ho anareo. Toy ny nanirahin’ny Ray Ahy, no hanirahako anareo koa.” 22Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nitsoka ny fofon’ainy tamin’izy ireo ary niteny azy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina. 23Na helok’iza na helok’iza avelanareo, dia ho voavela izy ireo; ary na an’iza na an’iza tsy avelanareo, dia tsy voavela izy ireo.”

24Tomasy, iray tamin’ireo roa ambin’ny folo, nantsoina hoe Didymo, dia tsy niaraka tamin’izy ireo rehefa tonga Jesosy. 25Ireo mpianatra hafa avy eo niteny taminy hoe: “Hitanay ny Tompo.” Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Raha tsy hitako eny amin’ny tanany ny loakin’ireo fantsika, ary mametraka ny ratsan-tanako ao anatin’ilay loakin’ireo fantsika aho, ary mametraka ny tanako eo amin’ny lanivoany, dia tsy hino aho.”

26Valo andro taty aoriana dia tao indray ireo mpianany, ary niaraka tamin’izy ireo Tomasy. Nanatona Jesosy raha nihidy ny varavarana, ary nijoro niaraka teo amin’izy ireo, ary niteny hoe: “Fiadanana ho anareo.” 27Avy eo niteny an’i Tomasy izy hoe: “Manatona ety miaraka amin’ny tananao ary apetraho eto amin’ny lanivoako izany. Aza kely finoana, fa minoa.”

28Tomasy namaly ary niteny Azy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro.” 29Hoy Jesosy taminy hoe: “Satria nahita Ahy ianao, dia nino. Sambatra ireo izay tsy nahita, nefa mino.”

30Ankehitriny Jesosy dia nanao famantarana maro hafa teo anatrehan’ireo mpianany, famantarana izay tsy voasoratra tao anatin’ity boky ity, fa ireo dia voasoratra mba hafahanareo mino fa Jesosy no Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary rehefa mino Azy ianareo, dia hahazo ny fiainana amin’ny anarany.

31

Copyright information for PltULB